Les ruches secrètes sont alignées
près des lianes du ciel,
parmi des nids lumineux.
Butinez-y, abeilles de mes pensées,
petites abeilles ailées de son
dans la nue enceinte de silence ;
chargez-vous de propolis
parfumée d’astres et de vent :
nous en calfeutrerons toute fente
communiquant au tumulte de la vie.
Chargez-vous aussi de pollen stellaire
pour les prairies de la terre ;
et demain, lorsque s’y noueront
les roses sauvages de mes poèmes,
nous aurons des cynorrhodons aériens
et des semences sidérales.
Milahatra ny tohotantely miafina
eny akaikin’ny vahin-danitra,
miaraka amin’ny ankany mazava.
Mitsentsefa avy any, ry tantelin’ny eritreritro,
ry tantely mielatra feo
eo amin’ny habakabaka mitoho-panginana ;
mivesara savo-madity
manitra johary aman-drivotra :
hotsentsenantsika amin’izany ny triatra rehetra
mampitohy amin’ny tabataban’ny fiainana.
ho an’ny tanin’ ahitry ny tany ;
ary rahampitso, rahefa miala londo eo
ny raozy dian’ny tononkirako,
dia hanana voany avy eny an-danitra
sy famafin-kintana isika.
Jean-Joseph Rabearivelo Traduit de La Nuit
Nadika tamin’Ny Alina Editions Tsipika