Quel rat invisible,
venu des murs de la nuit,
grignote le gâteau lacté de la lune ?
Demain matin,
Quand il se sera enfui,
Il y aura là des traces de dents sanglantes.
Demain matin,
ceux qui se seront enivrés toute la nuit
et ceux qui sortiront du jeu,
en regardant la lune,
balbutieront ainsi :
« A qui est cette pièce de quat’sous
qui roule sur la table verte ? »
« Ah ! ajoutera l’un deux,
l’ami avait tout perdu
et s’est tué ! »
Et tous ricaneront
et, titubant, tomberont.
La lune, elle, ne sera plus là :
Le rat l’aura emportée dans son trou.
Voalavo tsy hita inona,
avy any ankoatry ny rindrin’ny alina
no mikiky ny mofo rononon’ ny volana ?
Rahampitso maraina,
rahefa nandositra izy,
dia hisy dia-nify misy ra co.
Rahampitso maraina,
ny olona avy nimamo nandritry ny alina
sy ny olona avy niloka,
raha mijery ny volana,
dia hiboredika hoe ;
« Voamenan’iza iry mihosin-dra
mikodia ery amin’ny latabatra maitso ? »
« A! hoy ny iray aminy
may daholo ny an’ilay sakaiza
ka namono tena izy ! »
Dia hikakakaka daholo izy
ary hiraingiraingy hianjera.
Ny volana kosa, tsy ho co intsony :
nentin’ny voalavo any an-davany izy.
Photo L'Altérité
